Nanao tatitra momba ny asa vitan’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, Atoa Minisitra, nandritra ny fihaonanan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta tamin’ireo olomboafidin’ny Antenimerampirenena androany, tao amin’ny CCI Ivato .

Nanasongadina ireo fotodrafitrasa rehetra vita, anisan’izany ireo ezaka rehetra efa natomboka entina hiadiana amin’ny valanaretina Coronavirus, sy ireo aretimandoza hafa tahaka ny tazomoka, Atoa Ministra raha nandray fitenenana manoloana ireo solombavambahoaka. Ireto farany dia nankahery sy nisaotra ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka tamin’ireo ezaka rehetra efa vita, ary nitondra ny hafatra sy fangatahan’ny vahoaka avy amin’ireo distrika izay sahaniny avy.