Entina miatrika ny valanaretina Covid19 sy manatanteraka ny Politika Nasionaly mahakasika ny fitantanana ny fako eny anivon’ny tobim-pahasalamana, dia nahatonga fitaovana maro toy ny EPI, pulvérisateur, eau de javel, solution hydroalcoolique ary sac poubelle natokana hoan’ireo tompon’andraikitry ny tontolo iainana sy fahadiovana eny amin’ny hopitaly manerana ny faritra 22 ny Ministeran’ny Fahasalamambahoaka, vokatry ny fiarahamiasa amin’ny tetikasa FAFY. Izany dia tafiditra ao anatin’ny ezaka fitandroana ny fitantanana ny fako sy fanamafisana ny fisorohana sy famehezana ny fihanaky ny aretina.