Androany 19 Jona no andro manerantany iadiana amin’ny “Drépanocytose” na Faingosela.

Zaza miisa 737 (Fito ambintelopolo sy fitonjato) izao no voatily fa mitondra ny faingosela tamin’ny zaza miisa 3793 (telo ambin sivy folo sy fiton-jato sy telo arivo) nanaovana fitiliana nandritra ny taona 2019.

Azo atao tsara ny misoroka ny fahasarotana ka ireto avy ireo dingana arahina:

  • Voalohany : Fantarina mialoha araka izay azo atao raha mitondra ilay tarazo ianao na tsia, fitiliana rà no atao amin’izany.
  • Faharoa : Manao fitiliana mialohan’ny fanambadiana, fa raha samy mitondra ilay tarazo mantsy ny Raiamandreny, amin’izay fotoana izay dia azo antoka fa hiteraka zaza mifaingosela izy ireo.
  • Fahatelo: Raha fantatra fa mifaingosela ianao dia meteza hanaiky sy hanaraka an-tsakany sy an-davany ireo toromariky ny mpitsabo

Marihina fa tsy mahazo misotro ny tambavy CVO, ireo mifaingosela.