Notanterahina androany ny lanonana fanolorana ny « Certificat de Reconnaissance » avy amin’ Andriamatoa Pr Ahmad AHMAD, Minisitry ny fahasalamam-bahoaka , ho fanaovam-beloma sy fankasitrahana an’Andriamatoa Pierre-Loup LESAGE, « Sénior Représentant Résident PSI » na solontenan’ny PSI teto Madagasikara nandritra ny 6 taona.

Isan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’ny fampiroboroboana ny sehatra ara-pahasalamana ary nitondra fanampiana sy fanohanana feno ny ministera izy.

Teo am-pamaranana dia nisaotra , nankasitraka ary nitondra teny firarian-tsoa ho azy Andriamatoa Minisitra, avy amin’ny fianakaviam-ben’ny Ministera, ary nidera azy tamin’ny famitany ny andraikitra goavana izay nosahaniny nandritry izay fe-potoana naha solontenan’ny PSI teto Madagasikara azy.

Misaotra Andriamatoa Pierre-Loup LESAGE.