Fitokanana ny « Laboratoire d’Analyses Médicales Malagasy » na LA2M, laboratoara malagasy voalohany
Mbola mitohy ho vaindohandraharaha ny ady amin’ny valanaretina Covid-19. Fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana malagasy sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny hananantsika Ivontoeram-pitiliana matihanina eto amin’ny tany sy ny firenena, indrindra manoloana izao fiatrehana ny ady amin’ny valanaretina Covid-19 izao. Nanambara moa ny Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA nandritra ny lahateniny herinandro mahery lasa izay ny hitokanana io fotodrafitrasa io alohan’ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena. Tanteraka ankehitriny izany vina ho tombotsoan’ny malagasy tsy vaky volo izany satria notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany maraina 23 Jona 2020 ny laboratoara malagasy voalohany dia ny « Laboratoire d’Analyses Médicales Malagasy » na LA2M etsy Androhibe. Ankoatra ny « Institut Pasteur de Madagascar » sy ny « Centre d’Infectiologie Charles Mérieux » ary ny Hôpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona, dia handray an-tànana ny fanaovana fitiliana ny Covid-19 ihany koa ny LA2M. Manan-danja tokoa ny fametrahana ity Ivotoerana ity mba hampitombo ny isan’ny fitiliana atao ahafahana mitsabo mialoha sy haingana ireo marary ary koa hisorohana ny fihanak’ity valanaretina ity. Koa ahazoana vokatra tsara sy azo antoka dia fitaovana raitra sy teknolojia avo lenta no ampiasaina ao anatiny. Mahavita manatanteraka fitiliana 384 indray mandeha ny LA2M ary manodidina ny 760 no vitany isanandro raha toa ka 94 monja no vitan’ny fitaovana nisy afaka nampisaina hatrizay teto amin’ny firenena. Koa miampy ireo fitiliana ataon’ny ivotoerana samihafa dia ho tratra ny tanjona ahavitana fitiliana 1000 mahery isanandro ary tsy hihoatra ny 3 andro ny ahazoana ny valiny. Koa satria « laboratoire de surveillance épidémiologique » izy dia tsy ny coronavirus irery no tiliana ao fa ny aretimifindra rehetra toy ny pesta, cholera, dengue, kitrotro, tazomoka, tuberculose sy ny maro hafa. Ho hita ao amin’ity laboratoara manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ity ny fitiliana aretina (diagnostic), ny fanarahamaso sy ny famehezana izany (surveillance et contrôle) ary ny fanaovana fikarohana isan-karazany.
Ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka hatrany, ho tokanana tsy ho ela ihany koa ny Orinasa fanamboaram-panafody malagasy na Farmalagasy.