Na dia eo aza ny ady iatrehana ny valan’aretina COVID-19 dia mitohy hatrany ireo asa andavan’andro iandraiketan’ireo sampandraharaha isantsokajiny eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Anisan’izany ny eo anivon’ny Direction de Programme Elargie de Vaccination na DPEV,izay manana andraikitra amin’ny fanadihadiana sy fidinana ifotony ireo trangana PFA na « Paralysie Flasque Aigue »

Iray amin’ireo fidinana ifotony ireo ity natao tany amin’ny Faritany Atsimo Atsinana, Distika Befotaka Atsimo, kaominina Antaninarenina, izay nanaovana fanadihadiana lalina momba an’i Hajarena sy Flogette izay anisany ireo ahiana ho tratran’ity PFA ity.