Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany maraina ny « CMC » na « Centre Médical Covid-19 », eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka,natrehan’ny Filohan’ny Repoblika mivady, ny Praiministra, ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka, ary ireo Ministera mpiaramiombon’antoka.

Miampy arak’izany ny ivo-toerana hanatanterahana fitiliana maimaimpoana sy handraisana an-tanana ireo mararin’ny Covid-19 ary efa misokatra ho an’ny rehetra manomboka anio tolakandro.

Ny fakana singa (prélèvement) dia natao ho an’ireo olona mitondra ny soritraretina ihany ary mivaly ao anatin’ny 72 ora, fa ireo tsy mampiseo soritraretina kosa dia omena torohevitra mifanaraka amin’izany. Ahitàna efitra maro efa fahita eny amin’ny hopitaly lehibe ny ivotoerana toy ny « salle de traitement », « salle de suivi », « salle de soins », « salle de repos », « salle de réunion », « salle de prélèvement », « salle d’écoute » sns, ary mahafeno ireo fepetra fisorohana sy fiarovana ara-pahasalamana rehetra ahatomombana ny fandraisana.

Aza misalasala manantona eny amin’ny Village Voara raha misy tranga mampiahiahy na fifaneraserana tamin’olona voamarina fa mitondra ny valanaretina « Coronavirus ».

AROVY NY TENANAO
AROVY KOA NY HAFA