Mitohy ny ezaka fifampizarana sy fifanakalozana traikefa eo amin’ny mpiasan’ny fahasalamana entina hanamafisana ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid19 eto amin’ny faritra Analamanga. Nojerena manokana sy nodinihana nandritra ny fidinana ifotony teny amin’ny CSB sy CHRD Anosy Avaratra ary ny AMIT Sabotsy Namehana arak’izany ireo fomba hanatsarana ny fitantanana ny fako sy hanamafisana ny fampiharana ny fepetra rehetra fisorohana ny valanaretina.

Loharanombaovao : SSEnv/DPS