Ny fitantanana mangaraharaha dia iray amin’ireo laharampahamehan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana,anisan’ny paik’ady anatanterahana izany ny fahafantarana ireo zava misy marina eny anivon’ireo hopitalim-panjakana.
Ao anatin’izany indrindra dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo mpikambana ao amin’ny kabinetra, izay nanaovan’izy ireo fanadihadiana momba ny :
Fitantanana ireo tahirin’ny fiarovana(EPI) sy ny fomba fizarana izany isan’andro
Ny vinavinan’ny filana isan-kerinandro, ny isan’ireo fandriana handraisana ireo marary
Ny vinavinan’ireo olona izay tsy misy soritr’aretina ary tsy nahitana ny tsimok’aretina ka afaka mivoaka ny Hopitaly
Ny fomba fampiharana ny « protocole de traitement à jour et sans interruption »
Ny mombamomba ireo olona tazomina eny amin’ny Tobim-pahasalamana.
Nizara tarika 03 izy ireo nanao izao fidinana ifotony izao, ka anisany notsidihina ny tao amin’ny CHU Ambohimiandra, ny CHRD Ambohimangakely ary ny CHRD teny Anosiavaratra.
Tsy nandeha tanam-polo izy ireo fa nitondra voandalana ihany koa, toy ny arotava, ka samy nahazo avy ireo tobim-pahasalamana 03 ireo.