Ny maraina ny 03 Jolay 2020  dia nitafa sy nifampidinika tamin’ireo filohan’ny sendika sy solontenan’ mpiasa ato anatin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Fahasalamana sy ny Sekretera Jeneraly ary ny talen’ny kabinetra.

Naharitra adiny 03 teo ho eo ny fifampidinihina sy fifampiresahana izay niompana betsaka tamin’ny fitateran’ireo Filohan’ny sendika ny hetahetan’ireo mpiara miasa amin’izy ireo tsirairay avy, sy ny tolotanana afaka ataon’izy ireo amin’ny fiatrehana ity valan’aretina COVID-19 ity. Teo ihany koa ny tatitra izay nataon’Andriamato Ministra sy ny Tale Jeneraly ny momba ireo fanampiana efa voaray sy ireo paik’ady hoentin’ny Ministera amin’izao vanim-potoana sarotra lalovan’ny firenena izao.

Nanentana ny rehetra Andriamatoa Minisitra ny mba hifanampy, hiara hiasa, hifanome tanana amin’ity ady atao ity. Naneho ny fahavononany hifampiresaka sy hitady vahaolana miaraka amin’ireo sendika ihany kao Andriamatoa Minisitra.

Namafisiny  fa zavadehibe aminy ny fitantanana mangarahara ka hiezaka ny tenany mba ahafahan’ireo rehetra miasa eny amin’ny Tobim-pahasalamana, misitraka ireo zo fototra sy hahatsapan’izy  fiarovana feno, ka anisany paik’ady hahatanteraka izany ny fanaraha maso ifotony.