Mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ireo mpikambana amin’ny kabinetran’ny Minisiteran’ny fahasalamana.

Ny 06 Jolay 2020, dia nitsidika sy nanatitra ireo fitaovana hoentina miaro tena na ireo EPI teny amin’ireo CSB teto Andrenivohitra izy ireo.

Ny teny Tanjombato, Andoharanofotsy, Ambohipo,Anosipatrana,Mahamasina no notsidihan’izy ireo

Ankoatra ny fanaterana ireo anjara EPI ho an’ireo mpiasa eny amin’ny ireo tobim-pitsaboana fototra ireo dia nanome fanazavana ny momba ireo asa miandry azy ireo ankoatran’ny asa andavan’andro ireo mpanao iraka, satria tokoa dia afaka mandray sy mitsabo ireo misy soritr’aretina rehetra izy ireo ka ao anatin’izany dia ny fizahana na ny « diagnostique clinique » no ataon’izy ireo, izany hoe azo atao tsara ny mafantatra sahady eny anivon’ireny CSB ireny, na soritr’aretina COVID-19 no mahazo ilay olona na tsia, sy ny hoe halefa hanao fakana singa sa tsia.