Mivoatra manaraka ny fivoaran’ny Teknolojia maneran-tany ny serasera anatiny eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ezahana am-pivoarana toy izany koa ny fomba fiasa ho fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka.

Nisy araka izany ny fanarahana sy fanaovana tomban’ezaka ireo asa rehetra natao isam-paritra nandritra ny enim-bolana voalohany, tafiditra amin’izany izao hamehana ara-pahasalamana izao. Tsy nionona fotsiny tamin’ny ady amin’ny valanaretina « coronavirus » izany fa nihitatra hatrany amin’ireo asa andavanandro sahanin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, toy ny fanaovam-baksiny, ny fandrindram-piterahana, ny ady amin’ny tazomoka, pesta…

Namafisin’ Andriamatoa Minisitra sy ny Sekretera Jeneraly , tao anatin’izao fihaonana izao ihany koa ny fisaorana ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra izay nanao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fitsaboana ny mpiray tanindrazana ao anatin’izao ady amin’ny « covid-19 » atrehentsika izao. Tsy manadino anareo ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fitondram-panjakana ary efa mandray ny andraikiny manoloana ireo hetahetanareo.

Voaresaka nandritra izao fihaonana izao ihany koa ny mikasika ny fiarovana ireo mpiasan’ny fahasalamana manoloana ny fisian’ny tsy fandriam-pahalemana, eo ihany koa ny mikasika ny fandrosoan’ireo fanorenana foto-drafitr’asa ara-pahasalamana isam-paritra. Notsindriana manokana ihany koa ny ady amin’ny kololikoly.

Raha mikasika ny covid-19 manokana, mizotra mankany amin’ny fahatsarana hatrany ny antontan’isa. Mila mailo mandrakariva anefa isika mba hisorohana ny mety hisian’ny « 2e vague ».

Entanina ary isika, hanaraka an-tsakany sy an-davany ireo fepetra fiarovana sy fisorohana noraisin’ny Fitondram-panjakana.

Sary sy fanadihadiana: SCM/MSANP