Niampy 128 ireo olona mitondra ny tsimok’aretina Coronavirus tany amin’ny faritra DIANA tao anatin’ny roa herinandro.
Tsy nitaza-potsiny ny fitondram-panjakana fa nandray ny andraikiny ka nanao fidinana ifotony tany an-toerana
Nitarika ny delegasiona tamin’izany Andriamtoa Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy Minisitra 04 ary anisan’izany ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis.
Tsy tonga tana-polo izy ireo fa nivimbina fitaovana mba hanampiana amin’ny fifehezana ny fipariahan’ny valan’aretina CORONAVIRUS.
Tao anatin’izany ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka dia nanolotra fakana singa miisa 200.
Nandritra izany fotoana izany ihany koa dia nanolotra fitaovam-pitaterana marary « ambulances » miisa roa, izay hiala avy aty Antananarivo androany 25 Septambra sy Fitaovana GenExpert ary ny « gelule » CVO+ ny Praiministra. Nanambara ihany koa ny tenany fa hisy ny fanomezana fandriana miisa 50 sy fitaovana samihafa ho fampitaovana ny efitrano vaovaon’ny HOMI any an-toerana.

Crédit Photo: Governora Diana