Ho fiarovana ny zaza amin’ny aretina kitrotro dia manohy ny ezaka  ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ireo mpiaramiombonantoka aminy amin’ny fanaovana vaksiny ny zaza ahafahana mampitombo ny hery fiarovan’izy ireo.

Amin’ity taona ity dia ny volana septambra hatramin’ny volana desambra no hanatanterahina ny fatra faharoa na rappel ny vaksiny fanefitry ny kitrotro  ka eny amin’ny tobimpahasalamana rehetra no ahafahana manao izany ary ireo zaza 15 hattramin’ny 18 volana izay efa nahavita ny fatra voalohany no misitraka izany.

Tsara ny manamarika fa atao eny anivon’ireo CSB eraky ny distrika ny fananterahina izany fatra faharoa izany. Anisan’ny efa nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny distrikan’ny Amparafaravola, Miarinarivo , Ambatoboeny ,Antanifosy, Manandriana,Fenoarivobe, Ankazoabo sy Ambatofinandrahana.

Fanadihadiana: SCM/MSANP