Toy ny fanao isaky ny Alatsinainy dia ny teo anivon’ny « DLMNT » indray no nanao ny tatitra ny zava-bita sy ny vina hoan’ ity herinandro miantomboka ity.
Maro moa ny iraka fa ny tena nanamarika izany dia ny dian’Andriamatoa Ministra ka nahafahany nijery ifotiny ny zava-misy marina amin’ny lafiny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny vahoaka.
Tamin’izany koa no nisaorany ireo Tale nahavita ny fotoam-piasany , ary nandraisana ireo Tale vaovao.
Nanararaotra izy tamin’izany nisaotra ny ezaka rehetra vitan’ireo eny ifotony sy ny fandraisan’andraikitra mavitrika ataon’izy ireo, izay namita iraka tany amin’ny Faritra DIANA amin’ny ady amin’ny valanaretina coronavirus sy ireo tany amin’ny faritra Atsimo amin’ny ady amin’ny tsifanjarintsakafo.
Asa no resahana ary hamehana ny zava-misy, ka dia fidinana ifotony no ho atao hamonjena ny vahoaka. Nohamafisin’ Andriamatoa Minisitra fa manomboka androany ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra manerana ny Nosy sy ny eto amin’ny foibe dia mandray anjara avokoa amin’ny ady atrehana.
Nankahery ny rehetra moa izy fa tsy mora ny andraikitra sy adidy miandry fa efa misy kosa ny tondrozotra arahina ka na dia ny mpiaramombonantoka rehetra aza handray anjara amin’izany.
Tanjona :ringana ny Kere, Resy ny Coronavirus.
Noho izany maro ireo hidina ifotony tsy hanavahana toerana na ambaratonga fa dia hiaraka hisikina ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra.
Efa nisy ny andiany voalohany hanao ny fitsirihana tsifanjariantsakafo. Ary Andriamatoa Minisitra mihintsy no hitarika an’izany fidinana izany manomboka androany.
Sary sy Fanadihadiana : SCM/MSANP