Manao ezaka ny Fanjakana amin’ny fanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka manoloana ny olana ateraky ny tsy fahasalamana. Izany indrindra no antony nanaovana ny hetsika « Tolotra fahasalamana manakaiky ny vahoaka ».

Araka ny hitantsika amin’ny sary dia nisy ny « Caravane médicale » izay ahazoan’ny tsirairay misitraka maimaim-poana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao isan-karazany. Handalo amin’ny toerana maro manerana ny nosy izany ka tontosa ny zoma 16 oktobra 2020 lasa teo ny hetsika tao Betafo ao anatin’ny faritra Vakinankaratra.

Ho amin’ny  androany alatsinainy 19 oktobra 2020 kosa dia ny ao Andohasana Ambalakely ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ary marihana fa hihatsara hatrany ny fikarakarana rehetra sy ny tolotra. Ny ao Vohipeno, faritra Vatovavy Fitovinany kosa indray no handray izany ny alarobia 21 oktobra 2020. Hampiavaka ity farany ny fisian’ny fandraisana an-tànana ireo vehivavy « mamany lava » izay hirahana miasa amin’ny « Opération Fistula ». Tsy hisy ny sivana fa ho raisina an-tànana maimaim-poana avokoa ireo rehetra voatily. Ankoatra izany, hisy ihany koa ny fitiliana ny « drépanocytose » satria ahitana taha ambony manodidina ny 16% any amin’izany faritra izany.

Sary : TVM