AKON’NY FANANGANAN-TSAINA : Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Anjaran’ny « DVSSER » androany no nitondra ny tatitra ny asa vita sy ny vina ho an’ity herinandro mitsidika ity. Hita tao anatin’izany fa betsaka ireo asa atrehin’ny Ministera, anisan’izany ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo any amin’ny faritra Atsimo izay nitaterana ny fitsidihan’Andriamatoa Minisitra ny Toby « CRENIM » tany amin’ny faritra Anosy ny Alatsinainy faha 19 Oktobra 2020 lasa teo. Mitohy hatrany ny fanampiana ireo mpiray tanindrazana any amin’iny faritra iny ary ny ankamaroan’ireo ekipa dia mbola any an-toerana.

Nisy ihany koa ny fidinan’ny delegasiona izay notarihan’Andriamatoa Minisitra tany amin’ny faritra Betsiboka, omaly Alahady 25 Oktobra 2020 izay nanolorana fanafody sy fitaovana entina manamafy ny rafi-pahasalamana any amin’iny Faritra iny.

Teo ihany koa ny fampahafantarana ireo asa vitan’ireo  foibem-pitantanana isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministera toy ny avy eo amin’ny Sekretera Jeneraly, ny « ACSQDA, DSFA, DEPSI, DLMNT, DHRD, DPLMT, DPS, DLMT, PNLP » ary ny « DVSSER ».

Taorian’izay dia niroso tamin’ny fandraisana fitenena andriamatoa Minisitra. Nandritra izany no nanehoany fisaorana ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra tamin’ireo ezaka nataon’ny tsirairay amin’ny asa sy andraikitra izay sahaniny, ary notsindriany manokana ny tokony ahafantaran’ny vahoaka sy ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra izao ezaka sy asa ataon’ny Ministera izao.

Momba ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo any atsimo dia nankahery ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra any an-toerana Andriamatoa Minisitra, ka nanambarany fa ny tanjona dia ny « hanavotra ny Malagasy ao anatin’ny kere, ary hanova ny tantara », ka na misy aza  ireo mety ho endrika famendrofendroana samihafa, dia aoka ho ambonin’izany isika mpiasan’ny fahasalamana rehetra tsy ankanavaka.

Nampahafantarina nandritra ny fanangana-tsaina androany ihany koa ny Talen’ny Serasera eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamana, Andriamatoa RAHARISON Tolojanahary Andry, ary nirary soa amin’ny asa sy andraikitra izay ho sahaniny Andriamatoa Ministra.

Sary sy Fanadihadiana: SCM/MSANP