Velirano fahadimin’ny Filohan’ny Repoblika ny hanome fahasalamana ho an’ny rehetra. Tsy mikely soroka ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanatanterahana izany.
Tonga nitsidika ny Faritra Betsiboka androany, nisolo-tena an’ Andriamatoa Praiminisitra, ny Minisitra ny Fahasalamam-bahoaka notronon’ ireo « staff »-ny. Tsy tonga tamin’ny tanam-polo izy ireo fa nitondra fanafody sy fitaovana maro karazana ho fanatsaràna ny tolotra ara-pahasalamana any an-toerana, toy ny « Table d’examen gynécologique, concentrateur d’oxygène, chariot à pansement, lot de mobilier pour salle d’hospitalisation, fauteuils roulants, balance pèse bébé, réfrigérateur solaire, moustiquaire… » Tsy adino ihany koa ny fitaovana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana toy ny « blouse, combi… » sy ireo fitaovana miampy kojakoja fiarovana enty miady amin’ny « covid-19.
Ankoatr’izay dia nisy ireo fitaovana fampiasa anaty birao, teo ihany koa ireo afisy sy takela-panentanana maro isan-karazany mikasika ny fitandroana ny fahasalamana.
Nandritra izao fandalovan’ andriamatoa Minisitra tany Maevatanana izao ihany koa no nametrahany ny sahamboadin’ireo Ben’ny Tanana rehetra ao amin’ny Kaominina manerana ireo Distrika telo izay mandrafitra ny Faritra Betsiboka. Marihana moa fa izy rahateo no minisitra mpiahy iny faritra iny.
Manampahefana sy olomboafidy maro tany an-toerana no tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana. Teo ihany koa ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mponina izay vory lanona ihany koa. Ireto farany moa dia maniry ny hitohizan’ny hetsika mipaika mivantana any amin’ny vahoaka toy izao.
Taorian’ny lanonana dia nitsidika ny « CSB U » sy ny Hopitaly (CHRR) tany an-toerana ny delegasiona notarihan’ andriamatoa Minisitra. Nijery ny zava-nisy ary nitafa mivantana tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana.
Fanadihadiana: SCM/MSANP
Sary: DRSP Betsiboka