Anjaran’ny « DRH » androany no nitondra ny tatitra ny asa vita sy ny vina ho an’ity herinandro mitsidika ity. Noresahana tamin’izany ny fisian’ny fandraisana mpiasan’ny fahasalamana izay hiarahana amin’ny  ACCESS sy ny ASOS, ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho amin’ny fanasana tanana sy savony izay hoentanin’ny DPS. Teo ihany koa ny fampahafantarana ireo asa vitan’ireo foibem-pitantanana isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministera toy ny avy eo amin’ny Sekretera Jeneraly, ny « ACSQDA, DSFA, DEPSI, DLMNT, DHRD, DPLMT, DPS, DLMT, PNLP » ary ny « DVSSER ».

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’Andriamatoa Minisitra no nanehoany fisaorana ireo mpiasan’ny fahasalamanatamin’ireo ezaka nataon’ny tsirairay amin’ny asa sy andraikitra izay sahaniny, ary notsindriany manokana ny fisaorana ireo  nanao ny ainy tsy ho zavatra nanatanteraka ny iraka ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana tratry ny tsy fanjariantsakafo tany amin’ny FaritraAtsimoraha niatrika nandritra ny 21 andro tany an-toerana. Noraisaina tamin’ny fomba ofisialy teto amin’ny Minisitera foibe ny fahatongavan’izy ireo ho marika ny fankasitrahana ny asa fitiava-tanindrazana.

Misarika ny mason’ny  mpiasan’ny fahasalamana rehetra ny Minisitra mba hijery manokana ny fomba azo atao rehetra amin’izany, indrindra fa ny fanampiana ny olona hiasa sy hanatevina ireo izay efa any an-toerana.Nanamafy ihany koa ity farany fa mbola hitohy ny fandefasana olona ho any atsimo hanohizana ireo asa efa natomboka. Ary tsy hadino ihany koa ny fandefasana mpiasan’ny fahasalamana any amin’ireo faritra izay hita fa tena vitsy anisa, anisan’izany ny Distrikan’ny Soalala…

Nasiana tsindrim-peo ihany koa ny fanatsarana ny fitantanam-bola eny anivon’ireo sampandraharaha isantsokajiny sy ireo CSB manerana ny nosy.

Ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny anaran’ny Andriamatoa Minisitra dia mirary herinandro vaovao ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra hahatontosa antsakany sy andavany ireo adidy tandrify azy avy.

 

Sary sy fanadihadiana: DirCom-SCM/MSANP