Tafiditra tanteraka amin’ny vanim-potoana mampirongatra ny valanaretina pesta isika amin’izao fotoana izao, raha hoarina amin’ny taona lasa kosa anefa dia nahitana fihenana ny tahan’ny trangana pesta. Na dia izany ary mbola misy 54 ireo distrika ahitana trangana pesta isan-taona eto Madagasikara.

Tsy mikely soroka ny Ministera ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fomba hiadiana amin’izany valanaretina izany fa mitady ny fomba rehetra hifehezana aingana ny firongatry ny valanaretina. Noho izany dia nohamafisina ireo fepetra eny anivon’ny tobim-pahasalama rehetra amin’ny fitsaboana ny Pesta ary maimaim-poana avokoa ny fandraisana an-tànana ireo marary.

Manentana ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO Jean Louis ny mba hanantonana avy hatrany ireo tobim-pahasalama raha toa ka misy ny tranga mampiahiahy.