Anjaran’ny « DEPSI » androany no nitondra ny tatitra ny asa vita sy ny vina ho an’ity herinandro mitsidika ity. Maro ny asa vita ary mbola maro ireo asa miandry.
Taorian’izay dia nandray fitenenana ny Minisitra Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis, ary tamin’izany no nilazany fa efa hiroso amin’ny fisokafan’ireo « bloc chirurgicale » manarapenitra manerana ny Nosy. Tsara ny manamarika fa nanomboka ny 19 novambra ka hatramin’ny 09 desambra ho avy izao dia miato ny fitokanana rehetra nohon’ny propagandin’ny fifidianana Loholona.
Nanentana ihany koa ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis ny amin’ny hanajana hatrany ireo fepetra rehetra ho fisorohana ny valanaretina Covid-19.
Nisaotra ireo Ekipa rehetra nandeha namita iraka tany amin’ireny toerana lavitra ireny. Andriamatoa Ministra ary nambarany araka izany fa ny fanaovana iraka dia tokony hisy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka hatrany.
Momban’ny tsy fanjariantsakafo any atsimo dia ho apetraka ilay « kere data » ahafahana manara-maso ireo olona tena tratran’ny tsy fanjariantsakafo. Misy ihany koa ny « Centre de Récupération Nutritionnelle et Médical » ao Amboasary izay hisahana ny fanampiana rehetra any atsimo, ka anjaran’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no mampandeha izany.
Teo am-pamaranana dia nisy ny fampahafantarana ireo Tale miisa 03 vaovao izay voatendry eto amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia ny DSSB, ny LA2M, ary ny CAMUM.
Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia mirary herinandro soa ho antsika rehetra.
Sary / Fanadihadiana : DIRCOM/SCM – MSANP