Malagasy manao fetin’ny Krismasy sy Taom-baovao 2021 lavitry ny aretina indrindra fa ny coronavirus no tanjon’ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoham-pirenena, Andry Nirina RAJOELINA.
Hita anefa tato ho ato fa nihagoragora, ny fanajana fepetra na « gestes barrières ».
Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, Tarihin’ny Minisitra Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis dia mampahatsiahy hatrany fa mbola ao anatin’ny ady isika, mbola tsy foana tanteraka ny coronavirus.
Koa entanina isika rehetra hanaraka sy hanaja hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana ary hanao aro vava orona hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina coronavirus.
Arovy ny tenanao, arovy koa ny hafa.
Izaho, ianao, isika miaraka no handresy ny Coronavirus.