Nanatanteraka atrikasa ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka mahakasika ny fanatsarana ny rafitra fanangonana vaovao manodidina ny tahirin’entana voaray sy mivoaka ary nampiasaina toy ny fanafody sy fitaovana avy amin’ireo « Pharmacie Grossiste de Districts » na PHA-G-Dis ka akarina aty amin’ny foibe. Nisy tomban’ezaka natao hamaritana ny sakana tsy ahafahana mampitombo kokoa ny tahan’ny fitateram-baovao sy ahazoana mitady vahaolana mifanaraka amin’izany teny anivon’ireo PHA-G-Dis miisa 78 manerana ny faritra 13 voakasika ny tetikasa IMPACT izay vatsian’ny USAID vola.
Miara-miasa nanantateraka ity fikaonandoha ity ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Mpiaramiombonantoka aminy ary koa ireo mpisehatra tsy miankina toy ny toerana fivarotam-panafody (pharmacie) sy ny toby fivarotam-panafody (dépôt de médicament). Nanomboka androany ka haharitra telo andro izao atrikasa izao. Natao ny fijerena akaiky ireo lesoka ireo ahazoan’ny rehetra misitraka ny fanafody sahaza azy satria tokoa velirano fahadimy napetraka ny Filoham-pirenena ny ahazoan’ny vahoaka tsy ankanavaka tolotra fahasalamana mendrika.
SARY SY FANADIHADIANA: DIRCOM/SCM-MSANP