Notanterahana androany 3 desambra 2020 ny fanolorana ny vokatra azo tamin’ny alàlan’ny fifanakalozan-kevitra sy dinika nijerena akaiky ny fivoaran’ny fanaovam-baksiny ho an’ny taon-dasa sy ny fiantraikany ratsy nateraky ny fisian’ny valanaretina toy ny covid-19 teto amin’ny firenena manoloana ny sehatry ny fanaovam-baksiny.
Fantatra tamin’izany fa nisy fihenana ny tahan’ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara ka ny faritra Analamanga, Vatovavy Fitovinany, Diana sy Sava ary Atsinanana no tena voakasik’izany. Amin’ny ankapobeny, manodidina ny 88% io tahan’ny fanaovam-baksiny io manerana ny nosy raha toa ka 95% ny fenitra tokony ho tratrarina.
Manoloana indrindra izao toe-javamisy izao, ilaina aloha ny midinika mialoha ahafahana mametraka ny paikady rehetra entina hanatsarana ny tolotra fanaovana vaksiny eny anivon’ireny fotodrafitrasa ara-pahasalamana ireny. Araka izany, azo antenaina fa tena ahitana vokatra tsara hiantraika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka izao ezaka lehibe iarahan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiaramiombonantoka aminy misalahy izao.
Tarigetra napetrak’Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis rahateo ny ahazoan’ny tsirairay misitraka ireo tolotra fahasalamana sahaza azy ary mifanaraka indrindra amin’ny velirano fahadimy napetraky ny Filoha Andry RAJOELINA.