Taorinan’ny CHU Ambohimiandra, CHUMET Tsaralalana, CHUJR Befelatànana, CHU Tanambao Tuléar, dia notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany Zoma 4 desambra 2020 ny toerana « Sakaizan’ny vaksiny » eo anivon’ny hopitaly Joseph Ravohangy Andrianavalona.
Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny hanatsarana hatrany ny tolotra momba ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza mba hampihenana ny taham-pahafatesan’izy ireo amin’ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara.
Ny fananana izao trano izao dia tafiditra tanteraka ao amin’ny velirano faha-5 izay napetraky ny Filohampirenena noho izy hanampy betsaka amin’ny fanatsarana ny tolotra fanaovam-baksiny ary amin’ny fanomezana ny tolotra ara-pahasalamana mahomby sy maharitra. Ary indrindra ho fanantaterahana ny politikam-pitondrana amin’ny fitsaboana manantona vahoaka.
Ho fanatsarana hatrany ny fandraisana eny amin’ny Hopitaly dia nisy ihany koa ireo fanomezana, izay natolotry ny fikambanana BOA ho an’ny Sampandraharaha « neurochirurgie » eo anivon’ny hopitaly Joseph Ravohangy Andrianavalona.
Tsara ny manamarika fa izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasan’ny Governemanta Malagasy amin’ny alàlan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny fikambanana FITIA izay tarihin’i Ramatoa RAJOELINA Mialy, ny vondrona BOA sy ireo mpiaramiombonantoka.
Ny Talen’ny Kabinetra, Prof. RAZAFIMAHANDRY Jean Claude, no tonga nisolontenan’Andriamatoa Ministra ny Fahasalamam-bahoaka,Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis, nandritra izao lanonanana izao.
Sary sy fanadihadiana : DIRCOM / SCM – MSANP