Araky ny tetiandrom-pandaminana dia anjaran’ny CNSS (Caisse Nationale de Solidarité pour la Santé) no nitondra ny tatitra mahakasika ireo asa vita sy izay mbola hoatrehana ho amin’ity herinandro vaovao ity.

Ny CNSS dia seha-pikambanana tahirim-bola iray ahafahana miantoka sy mandray an-tanana ny olona sendra tsy fahasalamana.

Nisongadina tamin’ireo asa vita ny fitiliana ireo mpandeha miisa 263, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, avy any Afrika atsimo sy Turquie, Baira, Doha, ary Frantsa, Asa izay niantsorohan’ny DVSSER. Miisa 85 kosa ireo mpadeha avy any Addis Abeba tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tany Nosy Be koa 64 tamin’ireo no vita fitiliana PCR ary mpandeha miisa (03) telo no nitondra ny tsimok’aretina Covid-19 tamin’izany. Avy any Addis Abeba ny roa tamin’izy ireo ary iray avy tao Djaouji. Samy efa raisina an-tanana ao amin’ny Hôpital Darussalam ao Nosy Be avokoa mo aizy ireo amin’izao fotoana izao.

Hidina any amin’ny Distrikan’ny Moramanga kosa ireo Ekipan’ny Sampan-draharahan’ny Ady amin’ny Pesta (SLP) miaraka amin’ireo Ekipan’ny Institut Pasteur de Madagascar mba hanamafisana ireo fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny Fahasalamana amin’izany ady amin’ny Pesta izany.

Nohon’ny Iraka izay ataon’ny Minisitra ny Fahasalamam-bahoaka Prof RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis any amin’ny Faritrin’ny Atsimon’ny Nosy amin’izao fotoana izao, amin’ny asa fandraisana an-tanana ireo vahoaka ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo dia ny Talen’ny Kabinetra Prof RAZAFIMAHANDRY Jean Claude no nankahery ireo mpiara-miasa amin’ny andraikitra izay hiantsorohana indray ho amin ‘ity herinandro vaovao ity. Nasongadiny nandritra ny fandraisam-pitenenany ny asa famaranana ireo antota-taratasy mahakasika ny PEM izay fandaharanasan’ny fitondranm-panjakana ho fanatanterahana ny IEM.

Namaranana ny fotoana kosa ny fanoloran’ireto tale roatonta dia ny Fampiroboroboana ny Fahasalamana sy ny Ady amin’ny Aretina tsy mifindra ampahibemaso ny tolo-tanana nataon’ireo mpihazakazaka nanoloana ny Lapan’ny Tanana Analakely mba ho fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny Coronavirus.

Sary sy fanadihadiana: DirCom/SCM