Nirary ny Malagasy sy ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra hanao fety sambatra, Andriamatoa Minisitry ny fahasalamam-bahoaka Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis androany. Nasiany tsindrimpeo manokana ny momba ireo fivarotana « masque chirurgicaux » na arovava orona fampiasa any amin’ny toerana fandidiana eny an-dalambè. Nambarany fa misy ny lalàna mifehy ny fivarotana sy fanjifaina azy ireny, ka ny Ministeran’ny Fahasalamana ihany no afaka manome ny fahazoan-dalana mivarotra azy ireny.Tsy azo atao arak’izany ny fivarotana sy fividianana ireny « masque » ireny eny an-dalambè. Any amin’ny toerana voatokana voalazan’ny lalàna, toy ny toeram-pivarotam-panafody, ny fitobiam-panafody irery ihany no azo ivarotana azy ireny. Tsy voakasik’izany kosa anefa ireo « masque » vita amin’ny lamba.
—————————————————————-
Ce 21 décembre, le Ministre de la Santé Publique, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis a exprimé ses meilleurs voeux à l’occasion des fêtes de noël et de fin d’année à l’endroit de la population malagasy et tout le personnel de santé.
A cette occasion, le Chef du Département de la Santé a également martelé que seul le Ministère de la Santé Publique est en mesure de donner l’autorisation de la mise en vente et de l’achat des masques chirurgicaux dans les rues et les places publiques. De ce fait, la vente des ces masques est formellement interdite et seuls les points de vente agréés en sont autorisés. Toutefois, les masques en tissu ne sont pas concernés et leur vente pourront se poursuivre.