« Misaotra an’Andriamanitra isika fa mbola afaka mifamory eto… », izay  no voalohan-tenin’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof RAKOTOVAO Hanitrala Jean-Louis nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ ity fananganan-tsaina voalohany   taona 2021 ity. Niarahaba manokana ireo Mpiasan’ny fahasalamana rehetra manerana ny Nosy izy nahatratra izao asaramanitra izao fa izy ireny tokoa moa no miaramilan’ny fahasalamana izay manao ny ainy tsy ho zavatra ho fanompoana ny firenena . Fotoanan’ny asa izao, fotoanan’ny fanarenana ary fotoanan’ny fanorenana hoy hatrany Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Ao anatin’ny famitàna ny vinan’ny Repoblika isika hoy izy ka ny fanatsarana sy fanorenana foto-drafitrasa, ny fampitaovana , ny fijerena manokana ny olombelona miasa ao , fanomezana tolotra fahasalamana manaja ny maha-olona, ny ady amin’ny kolokoly, ary ny fanomezana ilay hoe « couverture santé universelle » no ho ambetin’asan’ny Ministera. Ny Leitmotiv an’ny Minisitra sy ireo Mpiasan’ny Fahasalamana miara misalaha aminy moa dia ny hoe manan-katolotra foana isan’andro ary manatanteraka  haingana ny asa eo am-pelan-tanana. Izany rehetra izany dia  hialovàn’ny fieritreretana lalina  sy fanaraha-maso akaiky hatrany.

 

« Misaotra an’Andriamanitra isika fa mbola afaka mifamory eto… », ce fut les premiers mots du Ministre de la Santé Publique, Prof RAKOTOVAO Hanitrala Jean-Louis lors de cette première levée de drapeau de l’année 2021 à Ambohidahy. Le Numéro Un du Ministère de la Santé Publique a tenu à souhaiter particulièrement une bonne année aux Personnels de la Santé Publique dans tout Madagascar, et les remercier pour leurs dévouements sans faille envers leur Pays. Le temps est bon pour le travail, pour le nivellement, et pour la construction a-t-il souligné. Nous sommes toujours dans le cadre de la réalisation des visions du Président de la République d’après ses dires et que les principaux travaux du Ministère seront désormais centrés sur la rénovation et construction d’infrastructures, l’équipement, les ressources humaines, l’humanisation des soins, la lutte contre la corruption et la Couverture Santé Universelle.  Le Leitmotiv du Ministre et des Personnels de la Santé Publique sous son règne est d’avoir toujours quelque chose à donner et réaliser les différents travaux à une vitesse souhaitée, sans oublier l’anticipation, le suivi et le contrôle.