Isan’ny antoka ahafahana manome tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an’ny rehetra ny fampitaovana ireo tobim-pahasalamana, ho fanampiana ny fiarovana ireo mpiasan’ny fahasalamana.

Anisan’ireo  nisongandina taoo anatin’izany ny fanomezana fitaovam-pitsaboana sy kojakoja ilain’ny mpiasan’ny fahasalamana, hoan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoka avy amin’ny UNFPA sy ny Governemanta Japoney.

Ao anatin’ny fomba fiasa izay takian’Andriamatoa Minisitra, Prof RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis amin’ireo mpiara miasa aminy eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fidinana ifotony hanakaiky ny vahoaka. Noho izany, natao ny fitsinjarana ireo fitaovana azo avy amin’ireo mpiaramiombon’antoka , ka ny « cellule de coordination du Projet UNFPA », izay rantsana iray eo anivon’ny Sekretera Jeneraly, no nidina ifotony nanatitra ireo fitaovana ireo tany amin’ireo tobim-pahasalamana rehetra nisitraka izany, toy ny CSB, ny CHRD, ny CHRR ary ny SDSP.

Hanampy betsaka azy ireo amin’ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao sy mipaka mivantana amin’ny vahoaka izao fampitaovana izao, araka ny velirano napetrak’Andriamatoa Filoha, Andry Nirina RAJOELINA.

 

La garantie d’un système de santé de qualité pour tous dépend grandement des équipements et matériels mis à la disposition des agents et personnels de santé.

Dans cette optique, le Ministère de la Santé publique a été doté de divers équipements de protections et consommables médicaux de la part de l’UNFPA et du Gouvernement Japonais.

En amont des directives de Monsieur le Ministre, Prof RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis, pour les agents de santé au sein du Ministère, il est impératif pour ces derniers d’effectuer des descentes de proximité au sein de la population dans le cadre de leurs tâches. De ce fait, cet approvisionnement en équipement de protection s’avère nécessaire. La « cellule de coordination du Projet UNFPA », branche du Secrétariat Général, a procédé à l’acheminement en mains propres des dons, au sein des différentes organes de santé comme les CSB, CHRD, CHRR et SDSP.

Cette dotation en équipement s’inscrit dans la vision du Président de la République, Andry Nirina RAJOELINA, qui est de proposer à tout un chacun un système de santé fort, résilient et efficace.

Sary sy Fanadihadiana: SCM/DirCom-MSANP

CCP-UNFPA