Fanambaran’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka,Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis, mahakasika ny valan’aretina CORONAVIRUS

« Mbola mamerina fisaorana an’ Andriamanitra isika fa mbola nomeny tombon’ andro ka mahatratra izao taona 2021 izao …. »
izay no voalohan-tenin’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof RAKOTOVAO Hanitrala Jean-Louis nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ ity valan-dresaka voalohany amin’ny taona 2021 ity . Niarahaba ny vahoaka Malagasy , indrindra fa ny mpiasan’ny fahasalamana ny tenany amin’izao taom-baovao izao .Nomarihany fa mbola mitohy hatrany ny ezaka rehetra mba hisorohana ny fiparitahan’ny valan ‘aretina COVID 19 . Ao anatin’ny vanim-potoana saro –pady isika amin’izao fifampiarahabana tratry ny taona 2021 izao , hoy ny Minisitra . Notsipihany manokana fa ny fifampikasohana amin’ny samy olombelona hatrany no tena mila fitandremana . Tsy mikely soroka hatrany ny Minisitera misahana ny fahasalamam-bahoaka ny amin’ny fanaraha-maso sy ny fepetra tokony raisina . Nosinganiny manokana tamin’ny lahateniny ny fanaovana ny « opération coup de poingt » teo anivon’ny faritra natahorana ( izay nahitana fiakarana manodidina ny folo eo amin’ny faritra telo na efatra eo , teo anelanelan’ ny 24 desambra 2020 ka hatramin’ ny 05 janoary 2021). Azo lazaina hatreto fa nahomby hatrany ny paik’ady rehetra izay napetraka mba hifehezana ny aretina COVID 19, «tena voafehy ny valan’aretina », hoy hatrany ny Minisitra .Raha fintinina ny fanambarany dia tsy azo ekena ny hiverenan’ i Madagasikara amin’ny « Confinement » indray. Nasiany fanazavana manokana tamin’ izany fa mizara telo ny atao hoe : « confinement » . Misy ny karazany voalohany, izay tsy afaka mivezivezy tanteraka na amin’ ny ampahany ny olona eo amin’ny firenena iray . Tsy amin’ izany isika ,, hoy izy . Misy ihany koa ny karazany faharoa, izay marihina fa misy fepetra tsy maintsy fenoina vao afaka miditra eto Madagasikara . Nosinganiny manokana tamin’izany fa mila test PCR négatif (PCR<0) vao afaka miondrana ny olona . Mila mamerina « test »indray ireo farany rehefa tonga eto an-toerana .Tsy miandry ela vao hita ny valin’ny fitiliana fa 48 ora hatramin’ny 72 ora dia azo(irenyolona ireny no atao confinement any anatin’ny hotely na faritra manokana mandra-pahazo ny valiny) .Tranga roa no mety ho hita : raha « positif » ilay olona dia azo averina any amin’ny toerana niaviany ; raha « négatif » kosa dia tsy maintsy alefa tsaboina eny amin’ny hopitaly na CSB. Ary ny farany dia ny antsoina hoe « Autoconfinement » . Ireo olona ireo dia afaka mijanona any an-trano mandram-piandry ny valin ‘ny fitiliana . Aty amin’ny farany dia nomarihany fa notahian ‘Andriamanitra Madagasikara satria manana ny CVO.(Izay fanafody tena misoroka sy mitsabo io aretina io). Manao antso avo hatrany ny Minisitra ny amin’ ny fampiasana ny CVO. Misy koa ireo olona taizan’ aretina ka mila ampiana fanafody hafa ny fitsaboana azy ireny. Raha atao bango tokana izany dia tsy tokony atahotra ny Malagasy. Naveriny hatrany ny fanaovana aro- vava orona , ny fanasana tanana matetika , ny fampiasana ny « gel hydro –alcoolique ». Nanatitrantitra ihany ny tenany fa ny fitandremanao ny tenanao dia dia midika fiarovana ho an’ny hafa .
————————————————-
« Mbola mamerina fisaorana an’ Andriamanitra isika fa mbola nomeny tombon’ andro ka mahatratra izao taona 2021 izao …. »
Tels sont les mots du Ministre de la Santé Publique, Prof RAKOTOVAO Hanitrala Jean-Louis lors de ce premier discours en ce début d’année 2021 à Ambohidahy. Le Ministre de la santé tient à féliciter le peuple Malgache et surtout le personnel , pour cette nouvelle année . La continuité des efforts dans la lutte contre la propagation du COVID 19 reste le principal objectif au sein de son département , a-t –il souligné. Il faut rester vigilant en cette période de début d’ année . Les risques sont élevés car les fêtes continuent ce mois –ci . Le « fifampikasohana » constitue encore un danger potentiel . Puisque nous sommes toujours dans le cadre de la réalisation des visions du Président de la République, il faut contenir la propagation du COVID19. Il tient à mettre en exergue l’ application des mesures efficaces tels « les opérations coup de poingt » au niveau des zones sensibles ( Entre la date du 24 Décembre 2020 jusqu’ à ce jour , on a pu noter une petite augmentation du taux de contamination . Cela tourne au nombre de 10 personnes contaminées au niveau de trois ou quatres régions sur l’échelle Nationale . )Le Ministre martèle l’efficacité des mesures prises ainsi que les stratégies adoptées par son département . « Tena voafehy ny valan’aretina » c’est-à-dire que « le COVID 19 est très bien maîtrisé » selon ses propos . En continuant, il a tenu à expliquer qu’il existe trois sortes de confinement .En premier , les gens ne peuvent pas circuler ou partiellement sur le territoire Malgache .Madagascar n’est plus à ce stade , a-t-il ajouté. En second lieu, il a souligné que les étrangers doivent remplir les conditions nécessaires pour entrer à Madagascar.Il faudrait avoir un test PCR négatif (PCR<0) avant l’ embarquement . Ensuite , il faut renouveler le test au débarquement . Madagascar dispose déjà des moyens matériels avancés afin d’obtenir des résultats dans les 48h, au pire 72h.Ces gens là peuvent être admis dans les hôtels ou dans des endroits spécialisés dans l’attente des résultats. Si le résultat du test s’avère positif , ces personnes infectées doivent être soignées à l’ hopital ou CSB. Si c’est négatif , ils peuvent rentrer chez eux. En dernier , il existe ce qu’on appelle « autoconfinement ». Ces individus peuvent rester à la maison jusqu’ au résultat du test . En terminant , monsieur le Ministre de la santé souligne que le pays a de grande chance d’ avoir le CVO .Aussi il existe une certaine catégorie de gens vulnérables qui nécessitent l’utilisation d’autres médicaments. Le Ministre insiste toujours : sur l’importance du port de masques, sur la nécessité de se laver les mains fréquemment , sur l’utilisation des gels hydro-alcooliques .Enfin, « savoir respecter soi- même est synonyme de respect envers autrui » a –t-il souligné