Anjaran’ny avy ao amin’ny DIFP na (Direction des Instituts des Formations des Paramédicaux) androany 11 janoary 2021 no nitatitra ireo zava-bita nandritra ny herinandro sy ireo tomban’asa ho avy raha ny eto amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manokana. Fantatra tamin’izany fa mpandeha avy any Europa miisa 326 no tonga omaly alahady teny Ivato ary efa voatily PCR avokoa izy ireo raha araka ny tatitra avy ao amin’ny DVSSER. Mifandraika tanteraka amin’ny lahatenin’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean-Louis izany raha toa izy ka nanamafy ary koa nampirisika ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany mba hanafaingana hatrany ny fomba fiasa eto anivon’ny Ministera tamin’ity andro androany ity. « Tsy maintsy hanarina isika amin’ny lafiny rehetra ary tsy maintsy hanorina isika amin’ny lafiny rehetra » hoy hatrany Andriamatoa Minisitra.

——————

C’était au tour de la DIFP ou (Direction des Instituts des Formations des Paramédicaux) de rapporter les nombreuses réalisations et perspectives du Ministère de la Santé Publique. Pendant cette matinée, la DVSSER a confirmé l’arrivée des 326 passagers en provenance d’Europe à l’Aéroport International d’Ivato hier, cependant tous les passagers ont effectué un test PCR. Ceci entre en collision avec le discours de Monsieur le Ministre de la Santé Publique le Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean-Louis qui a tenu à souligner et à inciter les différents responsables à accélérer la cadence sur les différents travaux en cours. « Tsy maintsy hanarina isika amin’ny lafiny rehetra ary tsy maintsy hanorina isika amin’ny lafiny rehetra » a-t-il souligné.