« Mitohy ny ady amin’ny valanaretina Covid-19 ary efa mipetraka ny paik’ady manokana amin’izany » hoy Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean-Louis androany nandritra ny fanambarana izay notanterahany tao Ambohidahy.

Manoloana ny fiakaran’ny tahan’isan’ireo voan’ny valanaretina vokatry ny fifampikasohana nandritra ny fety dia manome toky ny vahoaka ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy fa efa tsara homana ny Ministera. « Ho ambetin’asa ny fanapahana ny fitohizan’ny fifindran’ny valanaretina amin’ny alalan’ny fanentanana ny tsirairay hanamafy hatrany ireo fepetra sakana toy ny ny fitondrana ny aro vava orona, ary ny fampiasana ny « gel desinfectant », tsy adino ny fananantsika ny CVO izay hita fa mahomby tokoa ary tena hireharehantsika Malagasy fatratra ».

Misy hatrany moa ny fiaraha-miasa amin’ireo manam-pahefana eny an-toerana ho fampanajana izany fepetra izany, ary farany dia mitohy hatrany ny fanaovana ny « tracing contact ».

“La lutte contre la Covid-19 se poursuit » a déclaré le Ministre de la Santé Publique, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean-Louis ce jour à Ambohidahy. Face à la hausse des taux des cas positifs due aux divers contacts durant les fêtes, le Ministère, étant le premier responsable, tient à rassurer la population qu’une stratégie est déjà mise en place et que le Ministère s’est déjà préparé à ce genre d’éventualité. Le principal travail consiste à couper la chaîne de transmission en poursuivant les nombreuses sensibilisations sur la nécessité du port de masque et l’utilisation des gels désinfectants, sans oublier le CVO qui a été prouvé efficace et fait notre fierté, le Ministère collabore avec les autorités locales dans cette mesure de respect des gestes barrières, et enfin, la stratégie « tracing contact » se poursuit toujours.