Taorinan’ny fety dia hita fa misy fiakarany ny isan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara. Faritra 4 ao anatin’ny faritra 14 no tena nahitana ny fitomboan’izany tarehimarika izany ao anatin’izany ny faritra Analamanga, Boeny, Vatovavy Fitovinany ary Matsiatra Ambony.

Manentana hatrany ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka, Prof RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis amin’ny hanarahana hatrany ireo fepetra sakana, ary ho entitra amin’ny fanaraha-maso ireo fepetra sakana ireo.

Ny fanajantsika tsirairay ireo fihetsika sakana sy ny fampiasana ny arovava orona eo no tsy hidirantsika any amin’ny fihibohana indray.

Tsara ny manamarika fa ny fitsaboana rehetra mahakasika ny valanaretina Covid-19 dia maimaimpoana, ary ireo misy soritraretina dia ho tsaboina eny amin’ny Tobimpahasalama avokoa. Ireo izay tsy misy soritraretina kosa dia mila mihiboka any antranony, ary tsy mahazo mivoka ny trano raha tsy tapitra ny fepetra.

Ao anatin’ny paik’ady hiatrehana ity valan’aretina ity dia ho sokafana ny CTC-19 eny Andohatapenaka handraisana an-tanana ireo olona mampiseho ny soritr’aretina

Ny Ministeran’ny fahasalamana dia vonona hatrany amin’ity ady atao amin’ity valanaretina Covid-19 ity, ary miantso sy manentana hatrany  ireo tompon’andraikitra mahefa, sy ny vahoaka malagasy rehetra amin’ny fampiharana ireo fepetra sakana sy fampiasana ireo arovava orona.

 

Après la fête de fin d’année, le nombre de personnes infectées par le coronavirus a augmenté à Madagascar. 4 régions sur 14 sont les plus touchée par cette hausse dont Analamanga, Boeny, Vatovavy Fitovinany et Matsiatra Ambony. Le Ministre de la Santé Publique, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis sensibilise la population à continuer de respecter les gestes barrières. Car le respect des gestes barrières est l’action la plus simple et la plus efficace pour limiter la diffusion de ce virus. Il est à noter que les traitements contre l’épidémie de Covid-19 sont gratuits et tous ceux qui présentent des symptômes seront traités dans les hôpitaux. Par ailleurs ceux qui ne présentent aucun symptôme doivent se confiner chez eux jusqu’à leur guérison. Dans le cadre de la stratégie de lutte contre cette épidémie, le CTC-19 d’Andohatapenaka sera de nouveau opérationnel pour les personnes présentant des symptômes. Le ministère de la Santé continue de déployer ses efforts dans la lutte contre la Covid-19.