« Tsy fotoan’ny fitavozavozana intsony izao » isan’ny toro-marika nomen’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis, hoan’ireo Talem-paritry ny Fahasalamana, izay tonga nivory niaraka taminy sy Ramatoa Sekretera Jeneraly ary ireo Tale Jeneraly telo io.
Ny 25 Janoary 2021 dia nisy ny fivoriana sy dinika niarahana tamin’ireo Talem-paritry ny Fahasalamana miisa 22 manerana ny Madagasikara izay notaterahina teny amin’ny foibe toeran’ny fandaharan’asa nasionaly hiadiana amin’ny Tazomoka eny Androhibe
Nandritra ny andro voalohany no nanomezan’Andriamatoa Minisitra ireo toro-lalana hoentina hiatrehana ny taona 2021. Nomarihany fa « ny Ministera dia manatanteraka antsakany sy andavany ary manontolo ny Vinan’ny Filohan’ny Repoblika dia ny fahasalamana hoan’ny rehetra tsy ankanavaka ». Ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano faha-5 dia ho apetraka ho taonan’ny asa, taonan’ny fanarenana ary taonan’ny fanorenana ity taona 2021 ity.
Nampatsiahy ireo laharam-pahamehan’ny Ministera ihany koa Andriamatoa Minisitra dia :
-Ny fotodrafitr’asa
-Ny fampitaovana
-Ny « Ressources Humaine »
-Ny tolotra manaja ny maha olona
-Ny ady amin’ny kolikoly
-Ny « Couverture Santé Universelle »
Nohamafisin’Andriamatoa Minisitra ihany koa ireo « leitmotiv » :
-Ny fanana « vision » sy « anticipation »
-Ny fiasana haingana
-Ny fanaovana « suivie et contrôle physique»
Nanome toro-marika momba ny ady amin’ny CORONAVIRUS ihany koa ny Minisitra nandritra ity fotoana ity ka nilazany fa « tarihina ny rehetra tsy hiandry ireo iraka alefa vao hietsika sy hanatanteraka ilay « operation coup de poings » ary tsy maintsy miara-miasa amin’ireo mpiara – miobonantoka sy ireo tompon’andraikitra any an-toerana ». Nanentana ireo tompon’andraikitra rehetra ihany koa ny tenany handray andraikitra hiaraka amin’ireo olomboafidy sy ireo olomboatendry. Namafisiny ihany koa ny fanarahana amin’ny antsipirihany ny fifehezana ity CORONAVIRUS ity ataon’ireo Talem-paritra, ireo « Médecin Inspecteur » ary ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra.
Nanentana hatrany Andriamatoa Minisitra ny amin’ny hanajana ireo toro-lalana efa napetrakin’ny fitondram-panjakana, anisa’izany ny fanajana ireo fihetsika sakana rehetra :
-Ny fampiasana ny arovava orona
-Ny fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony na « gel désinfectant »
-Ny fanapenana ny orona sy ny vava amin’ny latotsandry rehefa mikohaka na mievina
-Ny fanajana ny elanelana 1 metatra fara-fahakeliny.
Maharitra telo andro ity fivoriana ity.
————————-
« C’est une année de travail, une année pour être proactif et réactif » Selon le Ministre de la Santé Publique, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis, durant sa réunion avec les Directeurs Régionaux de la Santé.
Durant la journée du lundi 25 Janvier 2021, le Ministre a donné les consignes de travail pour cette année 2021, dans le quel il a noté que le Ministère de la santé réalise la vision du Président de la République « la santé pour tous ». Selon toujours les consignes du Ministre, cette année sera une année de construction, de réhabilitation, ceci entre dans la réalisation du « velirano faha-5 » du Président.
Le Ministre a également rappelé les prioritaires du Ministère tels que, les infrastructures, les équipements, les ressources humaines, l’humanisation des soins, la lutte contre la corruption et la couverture santé universelle.
Il a également donné des instructions sur la lutte contre le Covid-19, en précisant que pendant cette période, chacun doit se mobiliser afin de mener à bien l’opération « coup de poings ».
Le ministre a continué d’exhorter le respect des lignes directrices établies par le gouvernement, y compris le respect de tous les obstacles:
-L’utilisation d’un masque nasal
-Lavage fréquent des mains avec de l’eau et du savon ou du «gel désinfectant»
-Continuation du nez et de la bouche à partir du nez lors de la toux ou des éternuements
-Respect de la distance