Tao anatin’ny fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana no nanatanterahana ny fananganan-tsaina teo anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka androany Alatsinainy 25 janoary 2021. Tao amin’ny ivon-toerana LA2M Androhibe no nanatanterahana izany. Anjaran’ny Direction de la Santé Familiale no nitatitra ireo vaovao nisongandina tamin’ny herinandro lasa sy ireo kinasa ho amin’ity herinandro vaovao ity. Araka ny tatitra dia notanterahana omaly ny fitsinjarana asa, fandaminana sy fanatsarana ny ady amin’ny coronavirus izay niarahana tamin’ny Direction régionale d’Analamanga, ny avy any amin’ny District ary ireo CSB. Nambaran-dRamatoa Sekretera Jeneraly Dr. RASAMOELINA Fanjambololoniaina Dominique io maraina io ihany koa ny fisian’ny fivoriana iarahana amin’ireo tompon’andraikitra avy amin’ireo faritra 22 sy ireo « staff restreints » iarahana amin’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka androany sy rahampitso.
——–
Tout en respectant les mesures des gestes barrières, la levée de drapeau au niveau du Ministère de la Santé Publique s’est déroulée ce jour au siège de LA2M Androhibe . C’était au tour de la DSFA de rapporter les réalisations et perspectives du Ministère de la Santé Publique. Une collaboration avec la Direction Régionale d’Analamanga, les Districts, et les CSB a été effectuée hier dans le cadre du partage de travaux, l’ organisation et l’amélioration de la lutte contre la Covid-19 à Madagascar. Madame le Secrétaire Général du Ministère de la Santé Publique le Dr. RASAMOELINA Fanjambololoniaina Dominique a souligné lors de sa prise de parole qu’une réunion entre les directeurs régionaux et les staff restreints se tiendra aujourd’hui et demain en présence de Monsieur le Ministre de la Santé Publique.