🏥 CTC-19 Village Voara Andohatapenaka :
Misokatra amin’ny 08 ora maraina hatramin’ny 04 ora hariva amin’izao fanombohana izao.
Ireo olona maneho soritr’aretina ahiahiana ho Covid-19 no raisina an-tanana eny. Afaka manatona mivantana na alefan’ny mpitsabo avy eny amin’ny CSB 2.
Tolotra ara-pahasalamana marolafy no azontsika sitrahana eny an-toerana, anisan’izany ny fizaham-pahasalamana ireo olona izay maneho soritr’aretina, fangalana singa hanaovana fitiliana « PCR », fizarana fanafody, Fandraisana an-tanana ireo tranga misy fahasarotana.
🏥 HJRA Ampefiloha : Fitiliana ireo olona handeha hivoaka ivelan’i Madagasikara.
⛔ LA2M : Toerana handefasana ireo singam-pitiliana avy amin’ny Hôpitaly sy ny CTC-19 Andohatapenaka mazava ho azy araka izany fa tsy mandray olona mivantana.
🏥 CSB 2 miisa valo eto Antananarivo – Renivohitra no mandray an-tanana ireo tranga tsy misy fahasarotana, anjaran’ny dokotera miasa eo anivon’ireo CSB 2 ireo no mamaritra ny fanafody izay omena ireo olona tonga mizaha fahasalamana ao aminy ary ary mandefa azy ireo na tsia eny amin’ny CTC-19 Village Voara Andohatapenaka.
🌟 Tsara ny manamarika fa maimamaimpoana avokoa ny fitiliana sy ny fizarana fanafody ho an’ireo olona maneho soritr’aretina ka ahiahiana fa voan’ny Covid-19.
⚠️ Mandra-pivalin’ny fitiliana izay natao azy ireo dia mihiboka sy mitoka-monina any an-trano izy ireo ary manaraka tsara ireo toromarika hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis nandritra ny fitsidihany ny CTC-19 Village Voara Andohatapenaka omaly 16 janoary 2021.
Sary sy fanadihadiana: SCM/DirCom – MSANP