Natomboka ny faran’ny herinandro teo ny fanorenana ny Hopitaly Katolika « Bon Samaritain » ao Betainomby. (Sabotsy faha-23 janoary 2021)
Ny Filohampirenena RAJOELINA Andry niaraka tamin’ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis ary mpikambana eo anivon’ny Governemanta vitsivitsy no nanatrika ny fotoana fanombohana ny asa fanorenana ny hopitaly « Bon Samaritain » ao Betainomby Toamasina ny faran’ny herinandro teo.
Nambaran’ny Filoha RAJOELINA Andry fa ny Fiangonana Katolika eto Madagasikara dia mandray anjara mavitrika amin’ny asa fampandrosoana ny firenena amin’ny sehatra maro toy ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ireo asa sosialy isan-karazany . Ka ho fanohanana ireo ezaka ataony dia hanampy azy ireo amin’ny fanamboarana ity hopitaly « Bon Samaritain » ity ny fitondram-panjakana.
Ho hita ao amin’ity hopitaly ity avokoa ny fitsaboana ankapobeny, toy ny toeram-pandidiana, ny « radiologie numérique », ny fitsaboana aretin’ny fo sy ny tratra ary indrindra ny sampana fandidiana sy famindrana voa voalohany eto Madagasikara (service de transplantation rénale).
Zava-dehibe amin’ity fananganana hopitaly any Betainomby ity ny hahafahana manao ny fitsaboana sy fandidiana sy mamindra voa hoa an’ireo mila famindrana voa eto Madagasikara satria ho vita ao an-toerana izany aorian’ny fahavitan’ity hopitaly eto Betainomby ity fa tsy voatery ho vitaina any am-pitan-dranomasina intsony.
Nambara nandritra ity fotoana ity fa hahazo fiofanana manokana momba izany ireo mpitsabo malagasy hiasa ao.
Ny fanorenana hopitaly toy izao dia tafiditra indrindra ao anatin’ny Velirano faha-5, izay nataon’ny Filohampirenena RAJOELINA Andry amin’ny fampanatonana ny vahoaka ny fitsaboana mendrika ho azy.
…………………………………………………………………………
La cérémonie de pose de première pierre de la construction de l’Hôpital Catholique « Bon Samaritain » de Betainomby s’est tenue le samedi 23 Janvier 2021.
Le Président de la République, RAJOELINA Andry, le Ministre de la Santé Publique, RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis ainsi que quelques membres du Gouvernement ont assisté à cette cérémonie. Le Président RAJOELINA Andry a souligné que l’EKAR joue un rôle dans le développement du pays à travers diverses œuvres sociales au profit de la population, entre autre la santé.
Dans cet hôpital, on y trouvera un service de médecine générale, une radiographie numérique, un bloc chirurgical, le service de la neurologie, la pneumologie, la cardiologie, ainsi que le premier service de transplantation rénale à Madagascar.
Ce service de transplantation rénale sera bénéfique pour les patients, car ils n’auront plus besoins de voyager en Inde pour une transplantation.
Cette nouvelle construction entre dans le cadre de la vision du Président de la République.
Sary : DRS Atsinanana