Nandray anjara mavitrika tamin’ny fampiroboroboana ny fahasalamana teto Madagasikara nandritra ny fito taona i John Yanulis, talen’ny fandaharan’asa USAID’s ACCESS Health Program. Notanterahana tao amin’ny ivon-toerana PNLP (Programme National de la Lutte contre le Paludisme) Androhibe androany 21 janoary 2021 ny lanonana fanaovam-beloma sy fanomezam-boninahitra azy. Notolorana ny mari-boninahitra “chevalier de l’ordre national” avy amin’ny fanjakana malagasy izy tamin’ny alalan’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean-Louis. izay notronin-dRamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisitera Dr. RASAMOELINA Fanjabololoniaina Dominique, ny masoivohon’i Etazonia, ireo manam-pahefana sivily sy miaramila isan-tsokajiny ary ireo mpiara-miasa aminy.
——————————————-
Une cérémonie de remise de distinction honorifique de John Yanulis, Directeur du programme de santé ACCESS s’est tenue ce 21 Janvier 2021 au siège du PNLP androhibe. Après 7 ans de dévouement dans l’amélioration du système de santé à Madagascar, John Yanulis a été nommé Chevalier de l’ordre national de l’Etat malgache, par le biais de Monsieur le Ministre de la Santé Publique, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean-Louis, entourré par Madame le Secretaire Général du Ministère Dr. RASAMOELINA Fanjabololoniaina Dominique, Monsieur l’ambassadeur des Etats-Unis, divers hommes d’Etats civils et militaires, et les collaborateurs au sein du programme.