FANAVAOZANA NY CHRD SOALALA

Ankoatra ny fananganana hopitaly manaram-penitra izay hita sy tsapa ankehitriny fa tena ilaina ho fanatsarana ny Fahasalamam-bahoaka sy hanomezana tolotra ara-pahasalamana hoan’ny rehetra tsy ankanavaka dia isan’ny laharam-pahamehan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ihany koa ny fanavaozana sy fanatsarana ireo foto-drafitr’asa efa misy eo am-pelatanana.

Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fanavaozana sy fanatsarana “rehabilitation” ny CHRD ao SOALALA. Efa eo amperin’asa tanteraka ireo tompon’andraikitra amin’izany ary antenaina fa hitondra tolotra ara-pahasalamana tsara kokoa nohon’ny teo aloha izao fanatsarana atao izao.
——————
REHABILITATION DU CHRD SOALALA

Outre la construction de nouvelles infrastructures sanitaires, le Ministère de la Santé Publique priorise également la réhabilitation des établissements déjà existants.
Les travaux de rénovation du CHRD Soalala a débuté cette semaine. Cette initiative permettra sans aucun doute à améliorer les services de soins offerts à la population.