Hita mivaingana ary azo tsapain-tanana ny fahombiazan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombonantoka amin’ny alalan’ny Masoivohon’ny Firenena Japoney sy ny ONUDI amin’ny fitsinjovana ny tontolo iainana sy ny Fahasalamam-bahoaka.

Notokanana io maraina io teny amin’ny HΓ΄pitaly Befelatanana (CHUJRB ) ny toerana fandoroana fako medikaly izay tsy mamoaka setroka, mahavita mandoro fako 470 Kg isan’andro.

Tonga nitokana izany teny an-toerana ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay notarihan’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, notronon’ Andriamatoa Ambasadoran’i Japana sy Andriamatoa Mpandrindra ny asan’ny « SystΓ¨me des Nations-UniesΒ Β» miasa sy monina eto amintsika , Ramatoa solotena maharitry ny ONUDI ary Ramatoa Talen’ny HΓ΄pitaly (CHUJRB).

π’πšπ«π² 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐒𝐑𝐚𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚: π’π‚πŒ/𝐃𝐒𝐫𝐂𝐨𝐦-πŒπ’π€ππ