Hita mivaingana ary azo tsapain-tanana ny fahombiazan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombonantoka amin’ny alalan’ny Masoivohon’ny Firenena Japoney sy ny ONUDI amin’ny fitsinjovana ny tontolo iainana sy ny Fahasalamam-bahoaka.
Notokanana io maraina io teny amin’ny HΓ΄pitaly Befelatanana (CHUJRB ) ny toerana fandoroana fako medikaly izay tsy mamoaka setroka, mahavita mandoro fako 470 Kg isan’andro.
Tonga nitokana izany teny an-toerana ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay notarihan’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, notronon’ Andriamatoa Ambasadoran’i Japana sy Andriamatoa Mpandrindra ny asan’ny « SystΓ¨me des Nations-UniesΒ Β» miasa sy monina eto amintsika , Ramatoa solotena maharitry ny ONUDI ary Ramatoa Talen’ny HΓ΄pitaly (CHUJRB).
πππ«π² π¬π² πππ§πππ’π‘πππ’ππ§π: πππ/ππ’π«ππ¨π¦-πππππ
