Hita mivaingana ary azo tsapain-tanana ny fahombiazan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombonantoka amin’ny alalan’ny Masoivohon’ny Firenena Japoney sy ny ONUDI amin’ny fitsinjovana ny tontolo iainana sy ny Fahasalamam-bahoaka.

Notokanana io maraina io teny amin’ny Hรดpitaly Befelatanana (CHUJRB ) ny toerana fandoroana fako medikaly izay tsy mamoaka setroka, mahavita mandoro fako 470 Kg isan’andro.

Tonga nitokana izany teny an-toerana ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay notarihan’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, notronon’ Andriamatoa Ambasadoran’i Japana sy Andriamatoa Mpandrindra ny asan’ny ยซย Systรจme des Nations-Uniesย ยป miasa sy monina eto amintsika , Ramatoa solotena maharitry ny ONUDI ary Ramatoa Talen’ny Hรดpitaly (CHUJRB).

๐’๐š๐ซ๐ฒ ๐ฌ๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ง๐š๐๐ข๐ก๐š๐๐ข๐š๐ง๐š: ๐’๐‚๐Œ/๐ƒ๐ข๐ซ๐‚๐จ๐ฆ-๐Œ๐’๐€๐๐