Rehefa avy nitokana ny toerana fandoroana fako medikaly tsy mamoaka setroka tetsy amin’ny CHUJRB Befelatanana io maraina io sy nanaramaso ny fandraisana an-tanana ny fizaham-pahasalaman’ireo mpandeha amin’ny zotram-piaramanidina anatiny teny Ivato ny atoandro teo dia namonjy avy hatrany ny Distrikan’i Nosy Be, Faritra DIANA, Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.
Vantany vao tonga tany an-toerana ny tenany dia nihaona sy nifampiresaka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny « Comité de vigilance », nitohy tamin’ny fitsidihana ny « Laboratoire » ao amin’ny CHRD Nosy Be ary nifarana tamin’ny dinidinika niarahana tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana.
Ny Fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia manao ny ezaka rehetra amin’ny fanatsaràna ny tolotra ara-pahasalamana ary manakaiky ny vahoaka.
Sary sy fampitam-baovao: DGMP-MSANP