Manao tohy vakana ireo mpiara-miombonโ€™antoka manome tanana ny Fitondram-panjakana malagasy aminโ€™ny alalanโ€™ny Ministeranโ€™ny fahasalamam-bahoaka manoloana izao ady iarahana handresena ny valanโ€™aretina covid-19 misy eto Madagasikara izao.
ยซ Extracteur dโ€™oxygรจne ยป miisa 200 no natolotry ny UNICEF ho anโ€™ny Ministeranโ€™ny fahasalamam-bahoaka io tolakโ€™andro io teny aminโ€™ny ยซ hangar UNICEF ยป Andraharo.
Vantany vao tonga avy namita iraka tany Nosy-be Andriamatoa Minisitry ny fahasalamam-bahoaka , Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis dia nandray avy hatrany ireo fitaovana ireo teny an-toerana.
Naneho fisaorana sy fankasitrahana ny UNICEF ny tenany ary nampanantena fa ho tsinjaraina manerana ny Nosy ireo fitaovana ireo, hanoloana ireo izay nahitana fahasimbana teo am-pampiasana azy ary koa hanampiana isa ireo ยซ extracteur dโ€™oxygรจne ยป marobe am-perinโ€™asa izay novidianโ€™ny Fitondram-panjakana malagasy.
Ny famatsiana fitaovana toy izao moa dia tafiditra ihany koa ao anatinโ€™ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana eto amitsika ary nahafahana namonjy ainโ€™olona maro.
๐€๐๐ฒ ๐ข๐ซ๐š๐ข๐ฌ๐š๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐š๐๐ฒ ๐š๐ฆ๐ข๐ง’๐ง๐ฒ ๐œ๐จ๐ฏ๐ข๐-๐Ÿ๐Ÿ—
๐ˆ๐ฌ๐ข๐ค๐š ๐ซ๐ž๐ก๐ž๐ญ๐ซ๐š ๐ฆ๐ข๐š๐ซ๐š-๐ฆ๐š๐ง๐๐ซ๐ž๐ฌ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐œ๐จ๐ฏ๐ข๐-๐Ÿ๐Ÿ—
๐’๐š๐ซ๐ฒ ๐ฌ๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ง๐š๐๐ข๐ก๐š๐๐ข๐š๐ง๐š: ๐’๐‚๐Œ/๐ƒ๐ข๐ซ๐‚๐จ๐ฆ-๐Œ๐’๐€๐๐