Nifarana tamin’ity taona 2021 ity ny Tetikasa Mahefa Miaraka izay novatsian’ny USAID vola rehefa nisehatra nandritra ny dimy taona (2016-2021) teto amintsika mikasika ny fampiroboroboana ny fahasalamana eny ifotony (Santé Communautaire).

Notanterahana androany faha 11-ny volana jona 2021 teto Ambohidahy ny lanonana ofisialy fanolorana fitaovana maro samihafa toy ny fiara tsy mataho-dalana miisa 06, moto miisa 23 sy fitaovana informatika isan-karazany ary fanaka voatokana hoan’ny birao avy amin’ny Tetikasa ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Nisolo tena ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, izay mamita iraka any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy, nandray ireo Fitaovana ireo ny Talen’ny Kabinetran’ny Ministera ; ny Prof. RAKOTOMALALA Dave Patrick, notronon’ireo Tale Jeneraly sy Tale vitsivitsy eto anivon’ny Ministera.

Ny Tale lefitry ny sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) kosa no tonga nanolotra ireo fitaovana ireo. Raha nandray fitenenana ity farany dia nanamarika fa vonona hatrany ny Vahoaka Amerikana hanampy ny Vahoaka Malagasy noho ny ezaka nataon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanatsarana ombieny ombieny ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky ny vahoaka eny ifotony.

Fankasitrahana sy Fisaorana feno kosa no natolotry ny Talen’ny Kabinetran’ny Ministera raha nandray ireto Fitaovana ireto. Nohamafisiny fa tonga anatin’ny filan’ny Ministera tanteraka izao fanomezana izao, indrindra eto am-piatrehana ny ady amin’ny valan’aretina Covid-19 ary nantitranteriny fa hanampy betsaka ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fampandehanana ireo asa eny ifotony tokoa ny fahazoana izao tolotra izao.

Taorian’ny fifanaovan-tsonia dia nofaranana tamin’ny fanolorana ny fanalahidin’ireo fiara ireo ny lanonana. Marihana fa mitentim-bidy Ar 1.756.800.000 ireo fitaovana natolotra ireo.

𝐌𝐢𝐬𝐚𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐔𝐒𝐀𝐈𝐃 𝐌𝐚𝐡𝐞𝐟𝐚 𝐌𝐢𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚

𝐒𝐚𝐫𝐲 𝐬𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐡𝐚𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚: 𝐒𝐂𝐌/𝐃𝐢𝐫𝐂𝐨𝐦-𝐌𝐒𝐀𝐍𝐏