Toy ny mahazatra isaky ny fiandohan’ny herinandro dia anjaran’ny CACSU izay misahana ny fahasalamana hoan’ny daholobe no nitondra ny tatitry ny zava-bita nandritry ny herinandro sy ireo Vina sy kinasa ho amin’ity herinandro vaovao ity.
Nanamarika ny zava-bita nandritra iny herin’andro iny ny fidinana nataon’ireo mpiasa teto anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka tany amin’ny Faritra atsimo sy Atsimo atsinanan’ny Nosy ary tany amin’ny Kaominin’ny Sandrandahy Distrikan’ny Fandriana, Faritry Amoron’i Mania izay nitondrana ny Hetsika ara-pahasalamana manakaiky Vahoaka. Nifanandrify indrindra tamin’ny hetsika fankalazana ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava izany. Ka ankoatry ny fizaham-pahasalamana sy ny fitsaboana mahakasika izany dia maro ihany koa ny tolotra ara-pahasalamana nentina nisitrahan’ireo Vahoaka tany ifotony toy : ny fanaovana didy foitra faobe, ny fitiliana maso sy ny sofina ary ny fanarahamaso ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
Mahakasika ny vina ho amin’ity herinandro ity indray kosa dia mbola hamafisina hatrany izany fanomezana tolotra ara-pahasalamana eny ifotony izany any amin’iny Faritr’i Betsiboka sy ny manodidina iny izay mbola hitondran’ny Ministera ireo hetsika ara-pahasalamana maro tsy tambo isaina ireo.
Raha nandray fitenenana kosa ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Pr RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis dia nangataka iray minitra fahanginana ho mariky ny fiaraha-mioryny amin’ny ny ekipan’ny SLPMERMETN sy ny PNLP/DLMT izay niaram-boina raha avy namita iraka tany amin’iny faritra atsimon’ny Nosy.
Tao aorian’izay dia niarahaba ireo Raim-pianakaviana rehetra eto anivon’ny Ministera Andriamatoa Minisitra nohon’ ny andro fankalazana ny fetin’ny Ray omaly alahady. Tsy adinony ny nirary soa hoan’ireo Ray rehetra ary ny nandrisihany azy ireo hahahefa be amin’ny asa aman’andraikitra sahanina.
Nosoritany nandritry ny fandraisany fitenenana ihany koa ny tokony hitandreman’ny tsirairay hatrany mandritr’izao vanim-potoanan’ny fety izao, satria na dia efa nakatona avokoa aza ireo CTC-19 etsy Mahamasina sy ny eny Mandrimena Andoharanofotsy dia mila mailo hatrany ny daholobe mba tsy sanatria hiverenan’ny fipariahan’ny valan’aretina COvid-19 indray, izay marihana fa efa latsaka ambany dia ambany tokoa ny tahan’ireo mitondra izany ankehitriny.
Nofaranany tamin’ny fankaherezana sy ny firariantsoa ho an’ny rehetra amin’ity herinandro vaovao ity ny lahateniny.
Sary sy angom-baovao: SCM/DirCom-MSANP