Toy ny mahazatra isaky ny fiandohanโ€™ny herinandro dia anjaranโ€™ny CACSU izay misahana ny fahasalamana hoanโ€™ny daholobe no nitondra ny tatitry ny zava-bita nandritry ny herinandro sy ireo Vina sy kinasa ho aminโ€™ity herinandro vaovao ity.
Nanamarika ny zava-bita nandritra iny herinโ€™andro iny ny fidinana nataonโ€™ireo mpiasa teto anivonโ€™ny Ministeranโ€™ny fahasalamam-bahoaka tany aminโ€™ny Faritra atsimo sy Atsimo atsinananโ€™ny Nosy ary tany aminโ€™ny Kaomininโ€™ny Sandrandahy Distrikanโ€™ny Fandriana, Faritry Amoronโ€™i Mania izay nitondrana ny Hetsika ara-pahasalamana manakaiky Vahoaka. Nifanandrify indrindra taminโ€™ny hetsika fankalazana ny fahasalamanโ€™ny nify sy ny ativava izany. Ka ankoatry ny fizaham-pahasalamana sy ny fitsaboana mahakasika izany dia maro ihany koa ny tolotra ara-pahasalamana nentina nisitrahanโ€™ireo Vahoaka tany ifotony toy : ny fanaovana didy foitra faobe, ny fitiliana maso sy ny sofina ary ny fanarahamaso ny fahasalamanโ€™ny reny sy ny zaza.
Mahakasika ny vina ho aminโ€™ity herinandro ity indray kosa dia mbola hamafisina hatrany izany fanomezana tolotra ara-pahasalamana eny ifotony izany any aminโ€™iny Faritr’i Betsiboka sy ny manodidina iny izay mbola hitondranโ€™ny Ministera ireo hetsika ara-pahasalamana maro tsy tambo isaina ireo.
Raha nandray fitenenana kosa ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Pr RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis dia nangataka iray minitra fahanginana ho mariky ny fiaraha-mioryny aminโ€™ny ny ekipanโ€™ny SLPMERMETN sy ny PNLP/DLMT izay niaram-boina raha avy namita iraka tany aminโ€™iny faritra atsimonโ€™ny Nosy.
Tao aorianโ€™izay dia niarahaba ireo Raim-pianakaviana rehetra eto anivonโ€™ny Ministera Andriamatoa Minisitra nohon’ ny andro fankalazana ny fetinโ€™ny Ray omaly alahady. Tsy adinony ny nirary soa hoanโ€™ireo Ray rehetra ary ny nandrisihany azy ireo hahahefa be aminโ€™ny asa amanโ€™andraikitra sahanina.
Nosoritany nandritry ny fandraisany fitenenana ihany koa ny tokony hitandremanโ€™ny tsirairay hatrany mandritrโ€™izao vanim-potoananโ€™ny fety izao, satria na dia efa nakatona avokoa aza ireo CTC-19 etsy Mahamasina sy ny eny Mandrimena Andoharanofotsy dia mila mailo hatrany ny daholobe mba tsy sanatria hiverenanโ€™ny fipariahanโ€™ny valanโ€™aretina COvid-19 indray, izay marihana fa efa latsaka ambany dia ambany tokoa ny tahanโ€™ireo mitondra izany ankehitriny.
Nofaranany taminโ€™ny fankaherezana sy ny firariantsoa ho anโ€™ny rehetra aminโ€™ity herinandro vaovao ity ny lahateniny.
Sary sy angom-baovao: SCM/DirCom-MSANP