43 700 no isan’ny fitiliana vita

Olona miisa 6 741 kosa no mitondra ny tsimok’aretina VIH ka arahin’ireo mpitsabo ny toem-pahasalamany
5 885 kosa no mihinana fanafody ARV
Ampahany amin’ireo vokatra notanterina nandritra ny atrik’asa, nanaovana jery todika ireo ezaka natao nandritra ny tetik’asa NMF2, notanterahina tao amin’ny CARLTON Anosy ny 23 Jona 2021 ireo.
Raha mitaha ny tanjona napetraky ny ONU/Sida dia azo lazaina fa tsara ny vokatra azon’ny Madagasacar hoy Dr RANDRIATSARA Haja, Mpandrindra ny Programa nasionaly IST/SIDA eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamana.
Na dia eo anefa izany dia mbola mitohy hatrany ny fitadiavana sy fanentanana ireo olona hanao fitiliana amin’ny alalan’ireo paik’ady maro izay apetraka
ka iarahan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka miasa amin’ireo mpiaramiombonantoka PSI sy ny SE/CNLS.
Ireo paik’ady rehetra napetraka toy ny « index testing,auto teste,dépistage communautaire,dépistage démédicalisée » dia hanamorana ny fahazahoan’ny rehetra manao ny fitiliana, ahafantarany ny toem-pahasalamany ka hisorohany ny aretina raha tsy voa izy ary hanarahany kosa fitsaboana raha mitondra ny tsimokaretina izy.
Nody ventiny arak’izany ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ireo mpiaramiombon’antoka aminy nandritra ny 03 taona nampisy ny NMF2, ary ny fitohizan’ny NMF3
dia hanamafy ny velirano efa napetraka dia ny fahasalamana hoan’ny rehetra, ary ireo paik’ady vaovao dia hanatona kokoa ny vahoaka.
Betsaka anefa ireo ezaka izay miandry satria raha vinavinaina ho 44.000 ny isan’ireo mitondra ny tsimok’aretina VIH dia ny 6.000 no efa fantatra fa mitondra io tsimok’aretina io amin’izao.

Sary sy Fanadihadiana: SCM/DIRCOM