Taorian’ny Kaominina Ambanivohitra Sandrandahy, Faritra Amoron’i Mania sy ny Kaominina Maevatanana, Faritra Betsiboka dia ny Kaominina Ambanivohitra Bongatsara no nampiantrano ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka izay nokarakarain’ny DLMNT eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ity volana jona 2021 ity.
Hetsika izay teo ambany fitarihan’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis ho fanatanterahana ny Velirano Fahadimy ary tafiditra ihany koa amin’ny fankalazana ny Andro ho anโ€˜ny fahasalamanโ€˜ny nify sy ny ativava izay nitondra ny lohahevitra hoe โ€œSahiร  mirehareha aminโ€˜ny nify sy ny ativavanaoโ€œ.

Toy ny tany amin’ireo Faritra roa voalaza eo ambony ireo dia maro ireo tolotra ara-pahasalamana hita nandritra ity hetsika omaly ity. Toy ny :
Fanalร na sy fitsaboana nify
Fizahana ny Fahasalamanโ€˜ny saina
Fizahana maso
Fitiliana katarakta
Fihainoana, torohevitra mikasika
ny herisetra mianjady aminโ€˜ny vehivavy
——-
Fitiliana Diabeta,
Fitiliana homamiadanโ€˜ny vozonโ€˜ny Tranon-jaza
Fitiliana VIH sy IST
Fandrindram-piterahana
Fanomezan-drร  maimaimpoana
Fijerena Tosi-drร 
——-
Didi-poitra

Nahatratra 3207 isa ireo olona nisitraka mivantana ny tolotra ara-pahasalamana mamaimpoana nandritra ireo hetsika telo sosona ireo. Niisa 992 raha ho an’ny kaominina Bongatsara manokana.

Olomboafidy sy manampahefana sivily sy miaramila maro no nanotrona an’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny fanatontosana ireo hetsika ireo. Porofo maneho ny firaisankinan’ny mpitondra fanjakana ankehitriny amin’ny fanatsarร na ny fahasalamam-bahoaka.

๐’๐š๐ซ๐ฒ ๐ฌ๐ฒ ๐š๐ง๐ ๐จ๐ฆ-๐›๐š๐จ๐ฏ๐š๐จ : ๐’๐‚๐Œ/๐ƒ๐ข๐ซ๐‚๐จ๐ฆ-๐Œ๐’๐€๐๐