Araka ny nampanantenaina antsika mpanaraka ny pejy dia toeram-pitsaboana iray indray no andeha hofantarintsika miaraka hoanโ€™ny anio.
โ€œ๐‘ต๐’Š๐’‡๐’š ๐’”๐’‚๐’๐’‚๐’Ž๐’‚, ๐’”๐’‚๐’…๐’š ๐’‰๐’‚๐’Š๐’๐’ˆ๐’ ๐’๐’ ๐’•๐’๐’‰๐’‚๐’โ€™๐’‚๐’Š๐’๐’‚ย ยป, izany no teny filamatrโ€™ity , toeram-pitsaboana fampianarana sy fanaovana fikarohana ho fisorohana ireo aretinโ€™ny ny nify sy ny ativava ary ireo trangam-pahavoazana ara-boajanahary na vokatry ny loza mahakasika ny faritry ny loha sy ny tava ity (Pathologies maxillo- facials). Tsy iza izany fa ny CENTRE HOSPITALIER UNIVERSITAIRE Joseph Dieudonnรฉ RAKOTOVAO, na antsoina fohy hoe: CHU/JDR, izay hitantsika etsy Mahamasina, anelanelanโ€™ny hรดpitalibenโ€™ny Befelatanana sy ny ยซย CAMย ยป na ny โ€œCentre d’Appareillage de Madagascarโ€, aminโ€™ny lalana Ravelonanosy Mpampivelona.

Efa nanodidina ny taona 1945, no nisianโ€™ity toeram-pitsaboana ity ka ยซย Centre de Stomatologie de Befelatananaย ยป no niantsoana azy fahizany. Ny taona 1980 no niantombohanโ€™ny asa fandidiana โ€œORLโ€ tao Befelatanana, ary tetsy Ampefiloha kosa no nisy ny sampan-draharaha nisahana ny fandidiana ny faritry ny loha sy atidoha (Bloc opรฉratoire du service de neurochirurgie).

Taminโ€™ny taona 1998 no nahaleo tena tanteraka ny toeram-pandidiana sy fampiantranoana ireo marary avy nodidiana. Niova ho ยซ Unitรฉ de Soins de Formation et de Recherche en Stomatologie et Chirurgie Maxillo-faciale ยป ny anarana nisalorany ny taona 2003. Notokanana ary nomena ny anarana ยซย CENTRE HOSPITALIER UNIVERSITAIRE Joseph Dieudonnรฉ RAKOTOVAO’, kosa ny toeram-pitsaboana ny faha 21 Oktobra 2015.

Nakarina ny rihana ka notovonana toeram-pandidiana vaovao sy trano miisa dimy manara-penitra fandraisana marary avy nodidiana. Telo taona lasa taminโ€™ny faha 22-nโ€™ny volana aogositra 2018 no nanaovana ny fanokanana izany. Araky ny namantarantsika azy tetsy ambony dia sady toeram-pitsaboana no ivotoeram-pampianarana sy fanaovana fikarohana ho fisorohana ireo aretinโ€™ny ny nify sy ny ativava ary ireo trangam-pahavoazana ara-boajanahary na vokatry ny loza mahakasika ny faritry ny loha sy ny tava ny CHU/JDR. Raha ny mahakasika ny FITSABOANA sy ny fandraisana an-tanana dia hitanao ao ireo sampandraharaha mandray marary manomboka aminโ€™ny 07 ora sy sasany maraina ka hatraminโ€™ny 04 ora tolakandro, toy ny:

1- fikolokoloana sy ny fitsaboana ary ny fanalร na nify โ€œService Odontologieโ€.

2- Fandidiana. โ€œService chirurgie maxilla-facialeโ€, izay marihina fa manana trano fandidiana na โ€˜bloc opรฉratoireโ€ miisa 02 sy trano fampiatranona izay ahitana sokajy 03: Hoanโ€™ny sarababem-bahoaka sy ho anโ€™ny olon-tsotra ary hoanโ€™ireo antsoina hoe โ€œVIPโ€. Misy ihany koa ny โ€œChirurgie plastique facialeโ€ hoanโ€™ireo izay maniry hanova ny endrika na hoanโ€™ireo izay tra-doza ka nisy fahasimbana ny aminโ€™ny faritry ny loha sy ny Tava.

3- Famelomanโ€™aina โ€œ Service reanimationโ€

4- fitarafana sy ny fitsirihana mialoha izay mety ho fandidiana โ€œRadiographie panoramique dentaire et retro-alvรฉolaireโ€; izay tsy misy afatsy ao aminโ€™ny CHU/JDR sy any Fianarantsoa ary Toliary irery ihany raha ny miankina aminโ€™ny fanjakana.

Misy toerana fivarotam-panafody na โ€œPharmacieโ€ hoanโ€™ireo olona rehetra mila izany aminโ€™ny fitsaboana atao ao an-toerana ny CHU/JDR. Toy ny hopitalim-panjakana rehetra dia manana ny tahiry manokana hampiasaina handraisana an-tanana ireo sahirana ara-pivelomana โ€œdรฉmunisโ€ ihany koa ny CHU/JDR.

Manaraka hatrany ireo fepetra sakana ilaina ho fisorohana ny fiparitahanโ€™ny valanโ€™aretina COVID-19 ny eto aminโ€™ny CHU/JDR ka anisanโ€™izany ny fanananโ€™izy ireo โ€œtunnel dรฉsinfectantโ€ sy โ€œbassinโ€ hanasanโ€™ireo olona rehetra tร nana mialoha ny hidiranโ€™izy ireo ao aminโ€™ny Hopitaly.

Raha ny mahakasika ny FAMPIANARANA kosa dia ireo mpianatra ho mpitsabo sy mpianatra ho paramedy no manovo fahaizana amam-pahalalana ao. Ho aminโ€™ny asa FIKAROHANA kosa dia manana efitrano miisa 02 lehibe ireo โ€œinternes qualifiants โ€ hanatanterahany izany.

Mpitsabo matihanina sy voaofana manokana na โ€œspecialistesโ€ no mandray sy mitsabo ireo marary rehetra tonga eny aminโ€™ny CHU/JDR, izay miara-misalahy aminโ€™ireo mpandraharaha na โ€œadministratifsโ€ nahazo fiofanana hoaminโ€™ny andraikitra tandrify azy, toy ny fomba fandraisana sy fanoroan-dalana.

Koa raha misy olana na aretina mahakasika ny nify sy ny ati-vava dia aza misalasala fa afaka mandray ary manome ny tolotra ara-pahasalamana manaja ny maha-olona hoanโ€™ny vahoaka Malagasy rehetra tsy an-kanavaka ny CHU Joseph Dieudonnรฉ RAKOTOVAO.

Mankasitraka anao namaky ny ranty hatramin’ny farany. Manome fotoana anao amin’ny heriny anio toy izao indray.

Rohy pejy facebook รดfisialy CHU/JDR:https://www.facebook.com/chu.jdr.336

Sary sy fanadihadiana: SCM/DirCom- MSANP