Ny Masoivohon’ny Firenena Sinoa no noraisin’Andriamatoa Minisitra ny Fahasalamam-bahoaka voalohany nandritra izay fotoana nandraisany ny fitantanana ny Ministera izay.

Nohamafisina hatrany ny fiara-miasa eo amin’ny roa tonta. Anisan’ny nitondra anjara biriky betsaka tamin’ny fanohanana ny seha-pitsaboana teto Madagasikara ny mpitsabo sy ny teknisianina avy amin’ny fanjakana Sinoa, raha tsy hilaza fotsiny ny ady izay natao tamin’ny fiatrehana ny valanaretina COVID-19.
Manome lanja izany ezaka goavana vita izany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ka hampitombo sy hanatsara ary hanamafy hatrany ny fifamatorana mba hisian’ny vokatra azo tsapain-tanana eny amin’ny vahoaka ifotony.